Raha mba nilamindamina ny tananan’i Toamasina renivohitra tao ho ao izay, noho ny asa nataon’ireo mpitandro ny filaminana, dia miverina indray ny fitaintainana ho an’ny mponina tato ho ato, noho ny hafitsokin’ny andian-jiolahy manafika ao an-trano. Misy mihintsy aza ireo jiolahy mampiasa fonoko, ka na ilay olona tsy taitra amin’ny torimasony, na ilay olona raha maheno tsy mahavoaka feo na miantsonatso tahaka ny ahoana aza. Raim-pianakaviana iray mpanabe eo anivon’ny oniersite tsy miankina iray eto Toamasina nidiran’ireo andian-jiolahy tao aminy. Tsy afa-nanohitra ny tenany noho ireo fitaovam-piadiana, sabatra efatra sy basy iray (tsy hay na tena izy na tsy izy), nentin’izy dimy lahy nandritra izany. Nanaiky izay nataony teo ny tao an-trano sy ilay raim-pianakaviana, na naka izay tiany sy nisafidy ny zavatra nangalariny ireto andian-jiolahy, mbola nilaza koa izy ireo fa « mila vonoina ny iray amin’ireto olona ireto », ka vavaka no natao mafy mba tsy hisian’izay tao an-trano. Vokatra izany tsy sahy namono ireto andian-jiolahy, fa nidaroka azy ireo kosa tao anatin’izany indrindra ilay raim-pianakaviana. Lasa avokoa ny vola , finday tao an-trano rehetra – ny fahitalavitra fisaka – ny solosaina izay ilaina amin’ny asa ataony – ireo fanazaran’ny mpianatra tao anaty kitapo – ireo ireo zavatra faha… . Manao fanadiadiana mikasika ny raharaha ny polisim-pirenena, fa hatreto mbola tsy misy olona voasambotra mikasika ny raharaha fa mbola eo an-dalana mikasika izany ny mpanao fanadiadiana.
Malala Didier