- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversMangarivotra Toamasina : Maty nihantona teny ambony andrin-jiro ilay mpisandoka ho mpiasan’ny...

Mangarivotra Toamasina : Maty nihantona teny ambony andrin-jiro ilay mpisandoka ho mpiasan’ny jirama

Maro ireo mahay mikasika ny herinaratra izao no misandoka ho mpiasan’ny jirama Toamasina, ka tonga isam-pokontany mihintsy izy ireo manararaotra ny fahatapahan’ireo tarobiana herinaratra vokatra napetraky ny rivo-doza “AVA” farany teo manao dokam-barotra fa mahavita izany. Tranga iray no niseho tao Mangarivotra atsimo ny talata 16 janoary hariva teo, raha nisy ny fifanarahana hamerina ny herinaratra noho ny tarobian’ny jirama tapaka tamin’ity tokantrano iray. Taorian’ny fifanarahana teo amin’ireo roa lahy mpisandoka ho mpiasan’ny jirama, Ravaivoson Jean de Dieu sy Ralava Armand, sy ilay tokontrano maika ny hahazo jiro, dia nikatra teny ambony andrin-jiro ingahy Ranaivoson Jean De Dieu, vao nanao ny fanamboarana anefa dia lanin’ny herinaratra ka niantoka tsy afaka teny ambony. Niezaka ny nanavotra azy ingahy Ralava Armand saingy tsy nisy ny azo natao ka hany herin’izy ireo dia niantso tena mpiasan’ny Jirama ilay nifanaraka tamin’izy roa lahy. Niezahina novonjena nalana tao anatin’ilay herinaratra aloha ity tovolahy ity saingy tsy tonga teny amin’ny hopitaly akory dia maty ; amin’iny toe-javatra tahaka izao dia naka vadintany nanamarina ny zava-nisy ny Jirama ka nisy ny fakana am-bavany ilay namany tsy maty sy ilay rangahy naniraka azy ireo, araka ny tatitra vita sonia ny alarobia 17 janoary teo, satria milaza ny hampiakatra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana ny Jirama noho ny fisandohana ny asany sy ny fanaovana kolikoly niteraka faty olona ary fangalarana herinaratra ihany koa.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici