Rangahy tokony ho 50 taona eo ity hita faty nihantona tao ambany tetezan’i Mangarivotra vao maraina ity. Samy taitra ireo nahita azy,fa hafahafa ity fahafatesany ity, satria nihantona izy. Ny tongony mikasika amin’ny fako manodidina. Hatreto aloha araka ny fanadihadian’ny mpitsabo misahana ny fahadiovana eo anivon’ny kaominina, dia maty noho fahasemporana tamin’ny fanantonana ny tendany ilay rangahy. Raha voaporofo izany izao fa namono tena izy, dia ity rangahy be ny olona faharoa namono tena tao ambanin’ity tetezana ity. Toa zary eo amin’io toerana io izany no lasa famaranan’ireo olona sahirana amin’ny fiainana ny androny rehefa tena tsy zakan’izy ireo intsony vesatry ny fiainanany. Efa nalain’ny mpamonjy voina sy hain-trano tao ambany tetezana ny fatin’ilay rangahy be, ary nentina namonjy ny tranom-patin’ny hopitaly be, miandry ny havany na izay olom-pantany eny anivon’ny fiaraha-monina. Misokatra ny fanadihadiana eo anivon’ny fisahanana ny heloka be vava, satria misy resaka faty olona nihantona ny raharaha na namono tena aza.
Malala Didier