Tokantrano iray tany amin’ny fokontany Mangasoavina, Kaominina Andriba, disitrikan’i Maevatanàna, no nidiran’ny andian-dehilahy miisa efatra nitondra basim-borona efatra sy antsy ary famaky, ny alin’ny asabotsy teo. Tsy nananan’ireo olon-dratsy antra ilay pasitera tompon-trano, fa nototoiny tamin’ny vody basy, ka naratra mafy. Tsy vitan’izay anefa fa mbola namatratra teny amin’ireo ray aman-drenin’ity farany, izay tao an-trano ihany koa, ireto olon-dratsy. Naratra mafy voafira famaky teo amin’ny lohany araka izany ireto olon-dehibe ireto. Nalain’ireo jiolahy ny finday sy ny entana rehetra tao an-trano. Araka ny fantatra dia mpitondra fivavahana iray any ambanivohitr’Ambatondrazaka io notafihan’ny andian-jiolahy niaraka amin’ny ray aman-dreniny io. Tombanana ho efa nomanina mialoha ary nokendrena manokana ny trano ary tsy nisalasala nandaroka sy nandratra ireo malaso. Nirifatra nandositra avy hatrany kosa ireo olon-dratsy, raha vantany vao vita ny asa ratsiny. Naharay antso ihany ny mpitandro ny filaminana any an-toerana, saingy efa tsy nahatratra an’ireo olon-dratsy intsony.
Ratantely