- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManja : Dahalo 20 maty voatifitra, mpanara-dia valo naratra

Manja : Dahalo 20 maty voatifitra, mpanara-dia valo naratra

Saika isan’andro tsy maintsy ahenoana asan-dahalo arahina vono olona foana any amin’ny distrikan’i Manja, faritra Menabe. Ny marainan’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny dimy ora, malaso 77, ny 40 amin’ireo nirongo basim-borona, no nanafika tao amin’ny fokontany Sambalahy, kaominina ambanivohitra Anosibe-centre, 25 km miala ny tampon-tanàna’i Manja. Omby 350 no very. Taorian’ny fanafihana dia nanao ny fanarahan-dia ireo mpitandro filaminana nampian’ny fokonolona. Raikitra ny fifampitifirana ka dahalo 20 mahery no maty, fokonolona mpanara-dia enina sy zandary roa maratra mafy, vehivavy roa lasan’ny malaso takalon’aina.

Hatreto dia tsy voafaritra mazava kosa ny isan’ireo malaso naratra, satria izay voatifitra dia lasa nitsoaka niaraka tamin’ireo omby halatra. Raha ny vaovao azo farany omaly antoandro, nampitain’ny kaomiseran’i Manja, Michel Rawilly, dia omby 15 monja tamin’ireo 350 very afak’omaly maraina no tafaverina. Omaly ihany dia nalefa notsaboina haingana any Morondava ny dimy amin’ireo valo naratra, ka zandary ny roa.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser