Lasa tompom-pahefana mihitsy ireo malaso any amin’ny Distrikan’i Manja (Faritra Menabe), ka miliba amin’ izay tian’ izy ireo atao, ary tsy mifidy olona tafihana sy vonoina intsony. Manoloana izany, dia mandry andriran’ antsy lava ny mponina, izay miraviravy tanana tanteraka mahatsiaro tena toa tsy misy mpiahy intsony. Nandritra ny fanafihan-dahalo nitranga, ny narain’ny alakamisy lasa teo, tao an-tanànan’ Andohambe ao Manja, dia maty novonoin’ny malaso tamin’ny alalan’ny fira famaky teo amin’ny hatony ny zokin’ny depioten’ i Manja. Ny nahagaga ny rehetra anefa, dia omby roa monja teo an-tanàna no nalain’ireo dahalo fitolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo arahina vono olona mateti-piseho any an-toerana, dia manao antso avo amin’ny mpitondra foibe sy ireo manampahefana tompon’andraikitra ny vahoaka miaina ao anaty tahotra sy horohoro, mba hitady amin’izay vahaolana mahomby sy maharitra hentina hiadiana amin’ny asan-dahalo.
Eric Manitrisa