- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversManja : Pasitera voatafika, lasan’ny dahalo ny entana rehetra sarobidy tao an-trano

Manja : Pasitera voatafika, lasan’ny dahalo ny entana rehetra sarobidy tao an-trano

Nitrangana fanafihan-dahalo nitam-piadiana indray, tao an-tampon-tanànan’i Manja, afak’omaly alina, ka tranona pasitera iray avy amin’ny fiangonana zandriny no lasibatra. Rehefa tafiditra tao an-trano ireo malaso, dia nandrangaranga basy ny sasany. Tafaporitsaka anefa ny vadin’ity mpitondra fivavahana ity, ka niantso vonjy teo amin’ny manodidina sy eraky ny làlana : « Vonjeo zahay, vonjeo zahay, ampio zahay Jesosy », nefa tsy nisy sahy namonjy sy nivoaka ny trano ny olona noho ny tahotra, ka niliba ireo mpandroba nandraoka sy naka ireo entana lafo vidy zakan’izy ireo sy tian’ ireo malaso. Efa dify lavitra ny tanàna ireo mpanani-bohitra vao sahy nivoaka tsikelikely ny tranony ny mponina teo an-tanàna.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici