- Publicité SW45 -
lundi, juillet 1, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManja: Pôlisy notafihan’ny dahalo 80 isa

Manja: Pôlisy notafihan’ny dahalo 80 isa

Velona ary tsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Toliara nanomboka ny sabotsy teo ilay pôlisy izay voalaza fa matin’ny dahalo. Ny tongony no tapaka rehefa nilatsaka tao anaty lavaka nandritra ny fitsoahany. Dahalo maherin’ny 80 lahy, nanao fanamiana miaramila ny sasany, nitondra basy « kalach 4» ary « Mas 36 », no nifanandrina taminy nandritra ny adiny enina latsaka, tao amin’ny tanànan’i Bemangarahara, kaominina Tandrano, distrikan’Ankazoabo Atsimo, ny asabotsy 9 novambra lasa teo. Nahafaty mpitandro filaminana roa, dia polisy sy zandary, ary nahasamborana malaso 17 izany. Efa voalevina any amin’ny tanindrazany avokoa ny nofo mangatsiak’ilay zandary, nasitrika tao Belalanda, distrikan’i Toliara II, raha tany Morondava kosa ny razan’ilay polisy lavo amperinasa. Ilay sisam-paty indray dia mba afaka nitsoaka nanavo-tena sy niafina. Efa nihevitra ny maro fa maty izy. Tamin’ny antso an-tariby nataony ny mpiara-miasa taminy no nahafantarana fa mbola velona izy, raha ny fanampim-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Nanomboka teo ny fikarohana ny toerana nisy azy. Mifamahofaho be ihany ny fandraisan’ny olona an’ity tranga ity. Ao no nilaza fa nandroba fokonolona ireo mpitandro filaminana nanao « opération spéciale mixte » nanao fanarahan-dia, ka nahatonga ny mpitandro filaminana hafa nandeha fiara tsy mataho-dalana nifanehatra tamin’izy ireo. Ireo farany izany,  satria nihevitra ireto farany fa malaso izy ireo. Manam-boninahitra iray kosa izay tsy nety naseho anarana eto no nanamafy fa mpitandro filaminana nanatanteraka ny asany izy 31 mirahalahy ary nifandona tamin’ny dahalo nisandoka ho “kalony”. Misy ny fanadihadiana misokatra.

 

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser