- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversManja : Tovovavy maty, nokapain’ny jiolahy tamin’ny famaky

Manja : Tovovavy maty, nokapain’ny jiolahy tamin’ny famaky

Omby am-polony no lasan’ny dahalo ary aina iray no nafoy : tovovavy izay tsy nisalasalàn’ireo dahalo akory ny nikapa famaky ny lohany, tany amin’ny fokontanin’i Taranta, 23 kilaometatra atsinanan’i Manja. Araka ny fanadihadiana nataon’ireo pôlisy tany an-toerana moa dia fantatra fa ny tariky ry « Zanely », izay dahalo raindahiny tany an-toerana, no nanatanteraka io vono olona feno habibiana io.

Telo volana taty aoriana, ny zoma lasa teo dia nahazo vaovao ny eo anivon’ny pôlisin’i Manja fa mihaodihaody tany amin’io tanana io indray ireto andian-dahalo ireto, rehefa nifampitadiavana taorian’io fanafihana miharo vono olona io. Efa-dahy izy ireo ny tao an-tanana izay ninoana fa nikasa ny hanafika indray. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo mpitandro filaminana ka nifanehatra tsara tamin’ireo dahalo. Tsy nanaiky mora ny fisamborana azy ireo ireto dahalo ireto ka avy hatrany dia nitifitra raha vao nahita ireo mpitandro filaminana. Voatery namaly tifitra araka izany ireto farany ka nisy iray tamin’ireo olon-dratsy no lavo. Tafatsoaka koa iretsy namany rehefa nahita izany. Taorian’ny fitsirihana natao tamin’ity dahalo maty ity dia fantatra fa ilay lehiben’ny dahalo antsoina hoe « Zanely » ity maty voatifitra ity. Mbola ifampitadiavana kosa hatramin’izao ireo namany tafaporitsaka.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici