Nitrangana fakàna an-keriny zaza varira, na irony ankizy tratran’ny aretina « albinos » irony indray tany amin’iny faritra Menabe iny. Soa ihany anefa nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpitandro filaminana tany an-toerana ka avotra soa aman-tsara teny am-pelatanan’ny dahalo ity zaza tsy manan-tsiny ity. Nisy fotoana tokoa, nirongatra izay tsy izy ny fangalàna an-keriny ireny zaza ireny. Raha ny feo mandeha dia toa hoe alain’ny dahalo atao sorona hanamafisana sy hanamasinana ny ody gasin’izy ireo ny taovan’ireny olona na ankizy ireny. « Marihina hatrany fa ny olona na zaza varira dia tsy manana hery manokana na miafina (pouvoir surnaturel) araka ny eritreretin’ireo dahalo ka ampiasainy amin’ny asa-ratsiny »hoy ny vaovao voaray. Ny zava-misy. Ny alakamisy lasa teo no nitranga izy ity, tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Somenda, kaominina Ankiliabo, distrikan’i Manja. « Raha vao nandre izany ireo zandary misahana ny distrika Morombe sy Sakaraha ary Toliara dia nidina ifotony avy hatrany nanao ny ara-dia hanavotana ny ain’ilay zaza ary koa hanentana haingana sy hanaitra ireo fokonolona, Jado, Dinabe mba hiandry ny kizony avy. Nohamafisina ihany koa ny sakana rehetra fanaovana fisavana hentitra izay fiara na moto mandalo ». Tsy niandry ela tokoa ny fisian’ny vokatra satria ny sabotsy lasa teo, izany hoe roa andro taty aoriana dia nifankatratra ireo jiolahy nitondra ilay zaza sy ireo mpanenjika, tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Antanamanitsy, kaominina Ankatsakatsa Atsimo, distrikan’i Morombe. Nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta, ka nilavo lefona tamin’izany ireo olon-dratsy namela ilay zaza ary rafitra nitsoaka. Nentina nody nihazo ny fianakaviany avy hatrany moa ity zaza ity taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo azy : salama tsara. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana hikarohana ireo olon-dratsy tompon’antoka tamin’ity fakàna an-keriny ity any an-toerana
m.L