Na dia efa teo aza ireo voasambotra nahakasika ihany fanafihana « cash point » nitranga teny Manjaka Ilafy, izay nahavoatifitra ny vadin’ilay mpilalao horontsary iny, dia mbola mitohy fona, efa-bolana aty aoriana, ny fikarohana ireo naman’izy ireo, izay mety ho nanao izany. Araka ny fampitam-baovao navoakan’ny pôlisy ary dia fantatra fa nisy lehilahy iray hafa indray no nosamborin’izy ireo teny amin’iny faritra Manjaka Ilafy iny ihany, ny sabotsy teo. Anisan’ireo nandray anjara tamin’io fanafihana, nitranga ny faran’ny volana aogositra io ity lehilahy ity, araka ny fampahafantarana nataon’ny pôlisy hatrany.
Tsiahivina tokoa mantsy, tokony ho iray volana lasa izay, dia nampahafantatra hatrany ny pôlisy fa nisy olona telo voasambotra, isan’ireo nanafika ilay cash point ary nitifitra ny vadin’i « Benja kely ». Tamin’ny fotoana nisamborana ireto farany anefa dia nilaza izy ireo fa mbola nisy naman’izy ireo mandehandeha any, izay niray tsikombakomba tamin’io asa ratsy io. Nanomboka teo ny fikarohana ity lehilahy ity, izay tsy hita tany nanjavonana intsony nanomboka tamin’izany. Ny alin’ny 29 Novambra lasa teo, nisy nahita nihaodihaody tsy lavitry ny toerana fisotrosotroana iray teny an-toerana ny lehilahy ka nisy nampilaza avy hatrany ny pôlisy. Ary dia io voasambotra soa aman-tsara io.
Marihana fa ny pôlisin’ny SUT, eo anvion’ny kaomisaria foibe Antananarivo Renivohitra no miandraikitra ny famotorana mahakasika ity raharaha ity. Efa natolotra azy rahateo ity voasambotra ity, ho amin’ny famotorana sy ny fanadihadiana, mialoha ny handefasana azy eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L