- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversManjaka Ilafy : Mpanao « cash point » nosakanan’ny jiolahy

Manjaka Ilafy : Mpanao « cash point » nosakanan’ny jiolahy

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray teny amin’iny distrika Avaradrano iny ny alakamisy lasa teo. Mpanao irony mpaninjara vola amin’ny finday, na « cash point », indray no lasibatry ny jiolahy. Araka ny fampitam-baovao azo dia handeha hody teny amin’iny faritra Manjaka Ilafy iny ity mpandraharaha ity no nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Telo lahy izy ireo, raha ny vaovao hatrany ary nitondra basy sy zava-maranitra isan-karazany. Ankevitry ny efa nomanin’ireto olon-dratsy mihitsy ny tetika namelezana ity mpaninjara ity. Sendra ny hery tsy mitovy ary tahotra teo anatrehan’ireo fitaovam-piadiana ka nanaiky mora izay nangatahin’ireo mpanafika ilay lasibatra. Lasa tamin’izany ny vola mitentina dimy hetsy sy iray tapitrisa ariary teo ho eo. Taorian’ny fanafihana dia niantso vonjy avy hatrany tany amin’ny zandary ilay voendaka. Tonga  namaly ny antso avy hatrany ireo zandary izay efa teo am-panaovana fisafoana tsy lavitra teo. Tsy niandry ela dia efa tazana sahady ireo mpanafika ary raikitra ny fifanenjehana. Voasambotra fotoana fohy monja taorian’izay ny iray tamin’ireo olon-dratsy, izay tsy nahita lalan-kombana intsony ka niafina fotsiny tanaty tranon’olona sendra hitany. Ny basy PA izay nentiny moa dia natsipiny tao anaty lobolobo talohan’ny niafenany. Tafaporitsaka kosa ireo namany roa lahy hafa. Mbola mitohy moa ny fikarohana azy ireo eny an-toerana, araka ny vavao hatrany. Ilay voasambotra kosa efa hatao famotorana sy andrimaso eny amin’ny biraon’ny zandary.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici