- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversManjakandriana : 4 mianadahy tsy ampy taona manendaka

Manjakandriana : 4 mianadahy tsy ampy taona manendaka

Nahitam-bokany ny hetsika nataon’ny zandarimariam-pirenena tany Manjakandriana. Fantatra mantsy fa voasambotr’izy ireo ny efatra mianadahy mpanendaka sy mpangarom-paosy izay nampikaikaika ny mponina tao Manjakandriana. Ny alatsinainy teo izy efatra mianadahy ireo no voasambotra, ary rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa mpiray tampo ny telo. Mbola vao 12 taona monja ny zandriny indrindra ary 17 taona ny lehibe indrindra. Ny finday sy ny vola any am-paosy moa no tena lasibatr’ireto zaza fainga tanana ireo. Ny fanadihadiana natao azy ireo ihany koa no nahalalana fa avy aty Antananarivo izy ireo ary mandeha manao ny asa ratsiny any ambanivohitra any. Taorian’ny fakana am-bavany azy ireo dia natolotra ny Fitsarana izy efatra mianadahy ireto.

A.R.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser