Ny Minisi-panjakana Rivo Rakotovao sy ny solontenam-panjakana teny an-toerana, notronin’ny Ben’ny tanàna Miadanandriana, sy ny sefo fokontany Andademy, no nanao ny fitokanana. Ny sabotsy maraina lasa teo no nanaovana ny fananganan-tsaina sy ny firedonana ny hiram-pirenenana ; ary nirosoana tamin’ny fanapahana ny « ruban » nanamarika ny fisian’ ireo trano 2, miaraka amin’ny birao.
Anisan’ny nisongadina tamin’ireo kabary nifandimbiasana moa ny tena faharatsian’ny lalana mampitohy an’Ambatomanga mipaka any Ambohitrandriamanitra, izay mirefy 30 km eo no ho eo nefa dia ataon’ny fiara mandritra ny adiny 3 latsaka. Ara-tantara moa dia tany amin’ny Repoblika I no nisy fanamboarana farany iny lalana iny ka tena simba be tokoa amin’izao fotoana izao. Amin’ny ankapobeny dia milamina ny lafiny fandriam-pahalemana, fa teo ihany koa ny hetahetan’ny mponina mangataka ny hisian’ny rano fisotro madio ho an’ny ity fokontany Andandemy ity. Novalian’ny Minisitra avy hatrany moa ny hetahatan’izy ireo tamin’izany ka nanambarany fa hatomboka amin’ity taona ity ny asa fanamboarana raha sitrapon’Andriamanitra.
Izao hetsika izao dia natao tao anatin’ny mangarahara tanteraka, ka ho tohin’ny asa natomboka tany amin’ny faritra Boeny iny, ny herinandro lasa teo, izay nanamboarana ny lalana tao amin’ny fokontany Manjarisoa , ho fitsinjaram-pahefana marina, ka hiparitaka manerana ny Nosy ny fanamboarana.
Alem