Hatramin’ny ora nanoratanay omaly hariva, mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hôpitaly Manjakandriana ity ankizivavy kely 10 taona, voahitsaky ny fiaran-dalam-by teny an-toerana. Tapaka nizara telo tanteraka ny vatany. Loza mahatsiravina no nitranga teo Fiadanana, Manjakandriana, omaly hariva tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any. Ankizivavy iray mponina eny an-toerana, raha iny nanaraka ny sisin’arabe iny, no nianjera tany amin’ny faritra nisy ny lalam-by. Tamin’izay fotoana izay indrindra ihany koa anefa no nisy lamasinina nandalo, handeha hihazo an’Antananarivo. Avy hatrany dia tany ambany ny kodiaram-by ilay zaza no niantefa. Voatetin’ny kodiarana ny vatany ary tapaka nizara roa, teo amin’ny maojany. Nipitika niala ny vatany mihitsy araka izany ny tongony anankiroa. Araka ny angom-baovao azo dia voalaza fa somary niala fiarabe iray somary nanara-tsisiny loatra ary namantana tany aminy ity ankizy ity. Izay toe-javatra izay no nahatonga azy nianjera tany amin’ny faritry ny lalam-by. Nentina novonjena haingana tany amin’ny hôpitaly moa ity farany. Efa teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy kosa ireo mpitandro filaminana. Sahanin’ny pôlisin’ny gara kosa ny fanadihadiana mahakasika ity loza nitranga ity.
m.L
Tena mampalahelo be izany, fa tsy niteny ianareo raha avotra ny ainy. Raha maty dia « paix à son âme ».
Afaka mba asiana article manome vaovao ve ianareo @ manaraka.
Responsabilité an’iza no engager @ izany? Ny fanjakana nanao ny lalana, tsy misy trottoir? Balise de sécurité?