- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversManjakandriana : « Boeing » nivadika, roa maty, 15 naratra

Manjakandriana : « Boeing » nivadika, roa maty, 15 naratra

Nivoaka ny làlana ilay fiarabe taxi-brousse, irony antsoin’ny sehatry ny fitaterana sy ny mpanjifa azy hoe « boeing » irony, satria izy no ngeza indrindra amin’ny fitaovam-pitateram-bahoaka an-dalam-be. Niteraka fahafatesana sy ratra izany. Raha araka ny vaovao ôfisialy dia roa no maty ary 15 no naratra. Niainga teto an-drenivohitra ka saika hihazo an’i Toamasina io fiara io no nivadika teo Nandihizana, teo Carion, ny alahady teo tokony ho tamin’ny valo ora alina, raha ny fitantaran’ireo vavolombelona. Nifanena tamin’ny taxi-brousse iray hafa izy io tao anaty fiolànana. Niala izany, raha araka ny fanazavana azo, izay hohamarinin’ny mpanao fanadihadian’ny mitandro ny filaminana, mazava ho azy, ka nifatratra tany anaty hady. Nivadika ilay « boeing » rehefa tsy tafajanona intsony. Vehivavy roa no namoy ny ainy tao anatin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Nentina novonjena teny amn’ny hopitaly faran’izay haingana ireo mpandeha 15 hafa izay naratra mafy. Sady efa tao anatin’ny haizina sy ny fanaintainana ireo mpandeha no mbola mainka koa nitombo ny alahelo rehefa tsy nisy nety nijanona izay fiara maro nosakanana. Ny mpamily toa ireny, raha araka ny lalàna velona, dia azo enjehina noho ny tsy famonjena olona miady amin’ny fahafatesana. Ny laharan’ny fiara fotsiny, raha ny tokony ho izy, dia efa ampy hanokafana fanadihadiana momba izany. Saingy efa toa mahazatra ny maro anefa ny toetra toa izany ka tsy dia nisy nivaky loha intsony. Nifanampy ny olona tamin’ny famonjena ny naratra sy fampiakarana ny razana an-tanety. Nanome tànana tamin’izany ny tompon-tanàna.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser