Ankilahy kely 10 taona no nampidirina eny amin’ny toerana fitaizana zaza maditra ao Anjanamasina distrikan’Ambohidratrino, ny Alatsinainy teo rehefa voaporofo fa nanolana zazavavy roa vao 06 sy 07 taona monja tao Manjakandriana. Izany no fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Anosy, rehefa nohenoin’ny mpitsara mpanao famotorana io Alatsinainy io ity ankizilahy ity.
Raha tsiahivina ny raharaha dia mpiray tànana ihany na ireo ankizy voalaza fa voaolana na ilay nahavanon-doza. Samy mbola mpianatra ary miara-milalao eo an-tànana ihany koa. Ny fiandohan’ny herinandro teo vao fantatry ny ray aman-drenin’izy ireo izao zavatra izao rehefa nitaraina narary tao amin’ny fitombenany ilay ankizy 6 taona ka nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana.
Ny fanadihadiana natao taminy no nahafantarana fa efa niharan’izany ihany koa ity ankizivavy faharoa, izay tsy iza fa rahavaviny ihany . Mpirahavavy moa ny renin’izy ireo. Nametraka fitoriana teny amin’ny Fitsarana noho izany ny ray aman-drenin’ireo niharan’ny herisetra ka niafara tamin’izao fametrahana ity ankizalahy ity eny Anjanamasina izao.
Araka ny vaovao farany dia mbola tsy salama ilay zaza 06 taona ka manohy ny fitsaboana azy ny ray aman-dreniny. Ireto farany izay mitaky ny mba isian’ny fanonerana ny lany rehetra tamin’izao raharaha izao.
T.M.