Ity lozam-piarakodia ity dia tokony ho anatra hoan’ny rehetra ny amin’ny tsy tokony hikoropahana raha tojo ny toy izao. Fiara « minibus » iray nitondra olona 12 teny amin’ny lalana mampitohy ny lalam-pirenena faharoa (RN2) sy ny kaominina Ambohibary, distrikan’i Manjakandriana iny no nanana olana tampoka teo amin’ny hisatra, ny sabotsy 8 janoary 2022 tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro. Raha nahatsikaritra izany ny mpandeha dia nisy ny nikoropaka ka niezaka ny nitsambikina hivoaka ilay fiara izay niromorimo izay tsy izy. Vokany, olona telo naratra mafy vokatry ny fianjerana avy ao anatin’ity fiara ity. Ny tena loza dia ny nahitana fa vehivavy lehibe 67 taona sy 48 taona ny roa tamin’izy ireo raha lehilahy 57 taona ny fahatelo. Ireto farany izay voalaza fa nohon’ny fikoropahan’ny mpamily no tena nahatonga azy ireo hiezaka hitsambikina hivoaka ilay fiara. Ity farany izay tafajanonana soa amantsara ihany anefa. Nalefa avy hatrany eny amin’ny tobim-hasalamana CHRD Manjakandriana ireo maratra. Ilay fiara kosa dia nampidirina « fourrière » ao amin’ny kaominina Sambaina, distrikan’i Manjakandriana ary tsy maintsy notanana hanaovana fanadihadiana ao amin’ny zandary ilay mpamily.
T.M.