- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversManjakandriana : Lehilahy iray matin’ny pesta

Manjakandriana : Lehilahy iray matin’ny pesta

Ny alatsinainy 17 febroary teo tao Morarano-Ampanahazana (Manjakandriana) no maty ity rangahy efa mananika ny faha- 69 taonany, somary hafahafa ny fisehoan’ ny aretiny ka nampiahiahy ireto fianakaviany. Tamin’ ny sivy ora maraina  no voalaza fa nahataperan’ ny ainy,avy hatrany dia nihetsika ireto fianakaviany ka naka dokotera mba hanao ny fizahana ny razana. Ny valiny fizahana no nanamarika fa “peste” no nahafaty ity havany, tsy nisy alaharo fa dia tsy maintsy nalevina ny hariva ihany ny razana satria hatahorana ny hiparitaka ny mikroba raha toa ka mbola handrasana mandritra ny alina, tena haigam-pifindra sy mahafaty tokoa mantsy ny pesta. Efa tena manakaiky ny renivohitra tokoa ity valan aretina ity ka hanairana ny sain’ ny tompon andraikitra fa raha mitohy ny fivangongon’ ny fako hita eny amin’ ny toerana sasantsasany ato dia ahatahorana ny hahatongavan’ izany eto Antananarivo renivohitra.

Taloha tokoa mantsy dia tsy afa-nisokatra intsony ny fasana nandevenana ny olona matin’ ny peste , raha fasan-drazana na hatao anirotra mba tsy ho fanidiana tanteraka ny fasan-drazana, mety ho an-jato taonany mantsy vao ho faty ny mikroba mitahiry ilay aretina ka izany no antony hitandremana fatratra amin’ izay mety ho fiparitahan’ ny valanaretina.

Hanentanana ny olona fa avy amin’ ny loto no mahatonga an’ ireny valan aretina pesta  ireny izay ateraky ny voalavo mitondra parasy, manaikitra antsika olombelona ka mahavoa avy hatrany ny aretina pesta. Raha madio tokoa mantsy ny tanàna dia mihena avy hatrany na mety tsy hisy mihitsy ny salan isa fisehoan’ io areti-mandoza io.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser