Nanjavona izy nandritry ny tapa-bolana ary ny herinandro lasa teo vao hita saingy efa maty. Tao anaty tatatra raha araka ny fanazavan’ny olona ary notapahin-doha. Lehilahy iray manodidina ny 30 taona ary mipetra-drery ity maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ity. Nalevina ny asabotsy teo ny razana ary mandeha kosa ny fanadihadiana ny amin’ny mety ho zava-nitranga izay nitarika ity fahafatesana ity. Mbola tsy manambady ilay lehilahy raha araka ny fanampim-panazavana ary izay rahateo no antony mahatonga azy nipetra-drery. Nivarahotsana ny olona raha nahita ny razana izay efa tena nisaraka tanteraka ny lohany sy ny vatany. Azo heverina ho efa fotoana elaela mialohan’ny nahitàna azy ny famonoana azy satria efa nanomboka simba ny razana ary ny fofona rahateo no nanintona ny sain’ny mpandalo izay nampandre ny manam-pahefana avy eo mba hijery ifotony ny zava-nitranga. Fa mba olona inona loatra no mahavita manapa-doha ny olona mitovy aminy? Mendrika fanadihadiana lalina.
D.R