Mampiasa basy maherivaika ary tena sahy mitifitra ireo olon-dratsy. Izany no nitranga tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ambatonandriana, ao amin’ny distrikan’i Manjakandriana. Ny alin’ny asabotsy teo dia fito lahy mirongo basy, tsy basim-borona intsony fa kalachnikov, no nanafika ilay toerana. Tsy nisy sahy nihetsika ny mponina satria avy hatrany ireo dia nanapoaka basy tetsy sy teroa mba entina handrahonana. Lehilahy iray izay raim-pianakaviana tao amin’ny tokantrano iray no nanapa-kevitry nivoaka mba hitopy maso ny zava-niseho. Fanapahan-kevitra izay nitera-doza satria nahita izany ireo mpanafika ary nitifitra azy no nataony. Mba avotra ihany ny ain’io rangahy io na dia naratra mafy aza. Nandeha ny fandrobana rehefa avy eo ary ireo omby tao anaty vala ihany no nanintona ireo olon-dratsy. Izay no ilazàna azy fa dahalo tanteraka. Nahatratra 14 ireo omby izay very tao anatin’iny alina iny. Nirefodrefotra ny basy nentina hampitahorana olona tao anatin’izany. Rehefa vita ny fanafihana dia ny famonjena ilay olona naratra mafy no nihazakazahan’ny olona. Nentina avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana izy ary mba avotra ihany ny ainy. Tsy basim-borona intsony no ampiasain’ny dahalo fa kalachnikov izay tsy misy afa-tsy ny mpitandro ny filaminana no tokony afaka hitazona an’izany. Ambana lehibe ho an’ny filaminam-bahoaka izany satria indraindray izany dia mitovy hery na mahery vaika noho ny mpitandro ny filaminana ny dahalo. Tsy misy afa-tsy ny ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana ihany no hahafahana mampihena ny toe-javatra toy izany ary koa ny fanaraha-maso ny fampiasaina ireo fitaovana eny anivon’ny toby tsirairay avy. Efa tsy mitombina intsony raha mbola hilaza ihany amin’izao fotoana fa basy niparitaka tamin’ny krizy politika teto amin’ny firenena ireny ampiasain’ny jiolahy ireny. Fomba fialàna bala fotsiny izany ary tsy tokony ho valin-teny intsony ankehitriny.
D.R