Olona roa, izay mpianaka, indray no namoy ny ainy, nilatsaham-potaka tany amin’iny distrikan’i Manjakandriana iny ny sabotsy lasa teo. Roa hafa kosa naratra mafy vokatr’izay.
Nahery vaika tokoa ny varatra tamin’iny herinandro lasa teo iny. Ankoatra ilay namoizana zaza efatra tany Antsirabe, dia olona roa hafa indray no maty vokatr’izay filatsaham-potaka izay, tao Antetezana, kaominina Alarobia Ambatomanga, Manjakandriana, ny sabotsy hariva lasa teo. Nikija aok’izany ny oram-baratra tany amin’iny faritra iny tamin’io fotoana io, raha tsy dia nahavanona loatra izany teto an-drenivohitra. Efa samy nanidy trano avokoa ny rehetra, tany an-toerana tamin’io harivariva io. Nirefotra tampoka anefa ny varatra. Raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia niditra teo an-tafon-trano ity afo mahery vaika ity ary nipoaka tao amin’ny efitra nisy azy efa-mianaka. Nandoaka ny “plafond” sy namaky ny rindrina mihitsy aza moa izany. Lehilahy lehibe iray, tokony ho fitopolo taona no niantefan’izany, niaraka tamin’ny tovolahy 18 taona, izay namoy ny ainy teo ho no eo. Olona roa hafa kosa may sy naratra vokatr’izany. Naheno izany ireo mpiara-monina ary dia nirohotra avokoa namonjy. Efa tsy tana intsony moa ny ain’izy mianaka, nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana kosa ireo olona naratra.
Mahalasa saina tokoa raha ny trangan-javatra miseho eto amintsika amin’izao. Manjaka ny ambalavelona any Miandrivazo sy ny faritra hafa. Mirongatra ny mpamosavy any amin’iny faritra Alaotra, ary misy afo tsy fanta-piaviana, nandrava trano amam-polony isa tany Sambava, ary dia izao namoizana ain’olona efa ho enina izao indray ny varatra, ao anatin’ny roa andro monja. Asa, mety ho sanatria, inona ihany koa ny manaraka ? Sao marina tokony handini-tena ny tsirairay, fa indrindra ireo mpitondra …
m.L