- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversManjakandriana : Mpitondra môtô maty, rehefa nifandona tamina kamiô

Manjakandriana : Mpitondra môtô maty, rehefa nifandona tamina kamiô

Namono olona indray ny làlam-pirenena faharoa ny alatsinainy hariva lasa teo. Mpitondra môtô iray no namoy ny ainy, rehefa tafasitrika tany ambanina “camion remorque” iray, nifanena taminy teo Ambatolaona. Raha ny fampitam-baovao azo dia avy any Andrenivohitr’i Betsimisaraka ity lehilahy nitondra môtô ity, handeha hiakatra aty Antananarivo. Handeha hizotra ho any Atsinanana kosa ilay fiarabe.  Samy somary nandeha mafy avokoa ireo. Fiolahana sady fiakarana ilay làlana ka tsy nifankahita ny roa tonta. Tsy tana intsony araka izany ny fifandonana. Vokany, potika tanteraka ilay kodiaran-droa. Naratra mafy mafy ihany koa ilay mpitondra azy, izay nentina novonjena haingana tany amin’ny hôpitaly tao Manjakandriana. Noho ny habetsaky ny rà very anefa dia tsy tana intsony ny ainy. Notananan’ireo mpitandro filaminana natao fanadihadiana kosa tetsy an-danin’izany ny mpamilin’ilay fiarabe.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici