- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversManjakandriana : Mpivady indray voadaroka

Manjakandriana : Mpivady indray voadaroka

Mba avy niantsena tao Imerintsianjaka izy ireo no nisy nidaroka avy hatrany. Izany dia mba nahafahana nangalatra ny entan- kely vao avy novidina. Telo lahy no nidaroka ary nisintona ny entana vao novidiana. Naratra mafy teo izy roa ireo. Nisy nahita ny zava-nitranga ary ireo no nampandre ny zandary teo anivon’ny “poste avancé” ao Ambohitrandriamanitra. Nanao ny fisafoana avy hatrany ireo, ka kara-panondro roa no hitan’izy ireo teo an-toerana. Rehefa notohizana ny dia dia hita ihany koa ireo zava-maranitra izay nentina nandratrana ireo mpivady voalaza etsy ambony. Tsy fantatra izay mety hifandraisan’ireo olona tao anatin’ny kara-panondro amin’ity raharaha fandratrana olona sy fandrobana ity. Fantatra koa mantsy amin’izao fotoana, fa isan’ny fanaon’ny jiolahy indray ny mametraka ny kara-panondron’ny olona izay nendahin’izy ireo eny amin’ny toerana izay avy nanaovany asa ratsy. Izany dia mba hanodinana ny sain’ny mpanao fanadihadiana. Na izany aza, ny fanamarinana rehetra izay handeha sy ny firesahana amin’ireo olona tao anaty kara-panondro no heverina fa afaka hanome valiny raha olon-dratsy ireo na kosa tsy manan-tsiny, mbola isan’ny voaroba koa.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici