Vao maraina vao nifoha ilay ramatoa dia ny vadiny izay nihantona tamin’ny tady ary efa maty no hitany omaly. Raha ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana tamin’ny zandary mpanao fanadihadiana dia nitsangana tao anaty alim-be ny vadiny ary nilaza ny ho any an-dakozia mba hisotro rano. Taorian’izay, nitsangana koa ilay ramatoa raha nangetaheta ary mbola nifanena tao an-dakozia izy roa. Rangahy kosa mbola nijanona tao ary tsy niverina intsony teny amin’ny efitrano fandriana. Tsy tsikaritry ny vadiny intsony izany noho ny torimaso. Efa maraina vao hita saingy efa nihantona tamin’ny tady ny tendany. Teo vao tonga saina fa nisy antony ny resadresak’izy ireo andro vitsivitsy nialohavan’ilay famoizam-po. Nanafatrafatra mantsy ilay rangahy ny mba hitaizana tsara ny zanany satria ny aina tsy mifametra. Tsy nisy disadisa na fifamaliana teo amin’izy mivady ary izay indrindra no nahatalanjona amin’ny raharaha. Raha ny fantatra dia 31 taona ity raim-pianakaviana ity. Nisy fanadihadiana nosokafana noho ny fisian’ny fahafatesana.
D.R