- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversManjakandriana : Nanarato an-tsokosoko tao amin’ny dobon’ny Jirama, nianjera dia maty

Manjakandriana : Nanarato an-tsokosoko tao amin’ny dobon’ny Jirama, nianjera dia maty

Ilay tovolahy nanarato, namoy ny ainy.

Tovolahy iray, vahiny tany amin’iny faritra Manjakandriana iny no namoy ny ainy, rehefa nianjera tamin’ny tohatoha-bato iray, teo amin’ny dobon’ny Jirama tao Antsakambahiny. Avy nanarato tao amin’io toerana io ity farany, niaraka tamin’ireo namany. Tra-tehaka, nitsoaka ary dia izao nianjera izao.

Efa iarahan’ny rehetra mahalala tokoa fa voarara tsy azo anaratoana ao ny amin’ny dobon’ny Jirama tao amin’io toerana voalaza etsy ambony io, any amin’iny distrikan’i Manjakandriana iny. Ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo dia nahazo fampitam-baovao ny teo anivon’ny tobim-paritry ny zandary ao  Manjakandriana ny amin’ny fisian’ny telolahy, niditra an-tsokosoko ary nanarato tao amin’io dobo io. Ny mpiambina tao amin’izany toerana izany no nahatsikaritra ny zava-nisy ary niantso avy hatrany ny fokonolona, nanao fiambenana ny tanàna, hisambotra ireto olona tsy manara-dalàna ireto. Raikitra teo ny fanenjehana an-dry zalahy ireo, saingy tafaporitsika hoy ny vaovao, ny roa lahy. Ny iray tamin’izy ireo kosa, nianjera tamin’ny tohatoha-bato iray teo an-toerana ka naratra mafy. Nentin’ireo fokonolona navotana avy hatrany tany amin’ny hôpitaly tao Manjakandriana ny tenany, saingy indrisy, fa noho ny hamafin’ny dona sy ny ratra nahazo azy, dia tsy tana intsony ny ainy. Tao anatin’izany anefa, mbola afaka nilazalaza talohan’ny nahafatesany, fa nisy olona nitondra azy hanarato tao amin’io dobo io. Izy tenany kosa dia mbola vahiny teo amin’ilay tanàna. Tamin’ny fisavàna ny razana moa dia fantatra fa nahitàna karapanondro roa tany aminy, izay samy natao tao Masindray Antananarivo Avaradrano avokoa.

Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana tao an-toerana tamin’ny fanokafana ny fanadihadiana sy ny fikarohana ilay olona voalaza fa nitondra ity farany tao amin’io dobo tsy azo anaratoana io. Tetsy andanin’izay kosa, taorian’ny fitsirihana  nataon’ireo mpitsabo dia napetraka tao amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly ny razana, miandry ireo fianakaviany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici