- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversManjakandriana : Nentin’ny toaka, mpirahalahy niara-namono olona

Manjakandriana : Nentin’ny toaka, mpirahalahy niara-namono olona

Namoa-doza ireto mpirahalahy ny ampitson’ny fankalazana ny fetim-pirenena lasa teo, tany Ambohitrolomahitsy, any amin’iny distrikan’i Manjakandriana iny. Tovolahy iray no maty novonoin’izy ireo rehefa nilany vaniny. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary, dia niara- nisotrosotro tao amin’ny toeram-pisotroana iray tany an-toerana izy roalahy ireto. Rehefa niakatra anefa ny dôzin’ny zavatra nosotroin’izy ireo, dia nanomboka nilakisa taman’olona amin’izay ireto mpirahalahy. Tamin’izay no nisy tovolahy niady tamin’izy ireo, izay raha ny fantatra dia mipetraka any amin’izany fokontany Ampohibe, toerana tsy lavitra ny tananan’ireto mpirahalahy ao Maropapango. Nanomboka tamin’ny fifamaliana vava ny resaka ary niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana mihitsy. Nitambaran’ireto mpirahalahy araka izany ity tovolahy. Tsy nahaleo ny be no ho vitsy ka vetivety ihany dia lavo. Tsy nanaiky anefa ireto  mpamono ary tsy namelany raha tsy tapitra hatramin’ny ain’ilay tovolahy. Voatery niditra an-tsehatra ireto olona nahita, nampiantso mpitandro filaminana. Nosamborina avy hatrany ireto mpamono olona ireto, ary nentina natao famotorana. Efa nomena ny havany kosa ny vatana mangatsiakan’ilay namoy ny ainy. Dia loza tokoa ny afitsok’ity toaka ity rehefa tsy voalanjalanja.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici