Rava tanteraka ny famadihana nokarakaraina tokantrano iray tao amin’ny fokontany Anosimanarivo, ao Manjakandriana, ny Zoma lasa teo. Andiana miaramila zazavao miisa telopolo lahy no nirotsaka nandrava izany rehefa niady tamin’ireo vatan-dehilehy teo an-tanàna noho ny resaka vehivavy, raha araka ny fanazavana. Vokany, nisy ny naratra teo amin’ireo mpifanandrina, ary sivily iray no voalaza fa namoy ny ainy rehefa tsy maintsy nalefa notsaboina taty an-drenivohitra. Araka ny vaovao, nisy miaramila zazavao vitsivitsy ao an-toerana namonjy io fety io. Nandritra izany, nisy tamin’ireto miaramila ireto nisary adala na nikaotikaoty vehivavy. Tsy zakan’ireo tovolahy tao an-tanàna izany ka raikitra ny fikasihan-tanana izay niafara tamin’ny sakoroka. Noho ny isa tsy mitovy anefa, dia nitsoaka ireo miaramila ka niantso ny namany tany amin’ny toby. Rehefa niverina izy ireo dia voalaza fa tena fanafihana no azo amehezana ny zava-niseho. Sady nidaroka ireo olona izay noheverin’izy ireo fa namono ny namany izy ireo no nanapotika entana : fanamafisam-peo, latabatra. Rava tanteraka noho izany ilay lanonana.
Iray no maty. Rehefa rava ny lanona dia voalaza fa lasa nitsoaka ireo miaramila. Ireto farany izay voalaza fa mety tsy nilaza na inona na inona tamin’ny lehibeny, satria ny sabotsy angaha vao nahalala ny zava-misy ireto farany. Ny sabotsy maraina, miaramila zazavao iray no nitambotsitra tampoka sy nandoha rà teo an-daharana nandritra ny « rassemblement ». Teo vao fantatra fa voadaroka ity miaramila ity, izay voalaza fa tsy maintsy nampakarina avy hatrany hotsaboina aty Antananarivo. Nandritra izany, tonga tao amin’ny toby ihany koa ny fampandrenesana milaza fahafatesana sivily iray noho ny daroka nandritra iny sakoroka iny. Teo vao samy nandray ny andraikiny avy ireo manam-pahefana isan’ambaratongany. Avy hatrany ny teo anivon’ny toby dia nanidy ireo zazavao ireo tsy hahazo mivoaka ety ivelany intsony. Mikasika ilay sivily maty indray, dia fantatra fa nandray an-tanana ny fikarakarana ny razana miaraka amin’ny tompo-majo ny miaramila. Nisy ihany koa ny famangiana nataon’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny ny mana-manjo, izay notarihain’ny lehiben’ny distrika, omaly. Arak’izany, azo heverina, raha araka ny vaovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena, fa tsy atahorana ny hanakorantona ny filaminana any an-toerana ity raharaha ity. Na izany aza, milaza ny eo anivon’ny zandarimaria fa noho ny fisian’ny faty olona tamin’izany dia tsy maintsy hanokatra fanadihadiana ry zareo ao aorian’ny fandevenana ny maty izay hontaterihina ny Alarobia izao.
T.M.