- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversManjakandriana : Roa lahy mpamaky fasana voasambotra

Manjakandriana : Roa lahy mpamaky fasana voasambotra

Fasana folo no efa novakian’izy ireo tao anatin’ny irayvolana monja. Nivoaka izany nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary tamin’ireo olon-dratsy ireo. Ny alatsinainy teo tamin’ny valo ora alina izy ireo no voasambotra rehefa nahazo vaovao ny ben’ny tanànan’I Manjakandriana mahakasika ny fisian’ny olona mihaodihaody ao an-tanàna ary nampiahiahy ny mponina. Nantsoina ny zandary izay nanao fisafoana avy hatrany. Tamin’ny efatra maraina no hitan’ny zandary izyireo ary nosamborina teo amin’ny fokontany antsoina hoe Mangarehina, ao amin’ny kaomina Sambaina. Rehefa nosavaina izy ireo dia nahitàna zava-maranitra,  « baramine », fanalahidim-pasana sy antsy lava ary pitsopitsony maro izay famakiana trano. Saingy tsy trano no tena fanaon’izy ireo, satria rehefa nandeha ny fakàna am-bavany dia fasana no tena vakian’ireto olona ireto. Ny fasana tao Andafiavaratra no neken’izy ireo voalohany fa novakiany ary nangalara ny taolam-paty. Tsy izay ihany fa ny 01 jiona teo dia mbola nisy fasana roa vaky tao amin’ny fokontany Andohamandry. Taolan-dava fitopolo isa no nanjavona tao. Rehefa nojeren’ny zandary akaiky dia voamarina fa « baramine » no nampiasaina. Nifandraika tamin’ny zavatra hita teny amin’ireo jiolahy izany. Niaiky rahateo izy roa lahy fa izy ireo no tompon’antoka tamin’ny famakiana ny fasana folo  izay nitranga tamin’ny volana mey teo. Tezitra ny olona ary nitaky fitsaram-bahoaka, saingy voaaron’ny zandary ireo olona. Natolotra ny fampanoavana ary nidoboka am-ponja ao Antanimora ireo mpangalatra taolam-paty ireo. Isan’ny tian’ny olona ho fantatra hatrany ny momba ny hanaovana ny taolam-paty. Hatreto mantsy dia tsy ahitam-baliny izany, ary matetika aza ny olona voasambotra dia tsy mahalala akory ny mpividy sy izay hanaovana an’izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici