- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManjakandriana : Vaky fasana, nakorontana ny razana

Manjakandriana : Vaky fasana, nakorontana ny razana

Fasana telo no indray vaky. Nasesin’ireo olon-dratsy mihitsy izany ny alin’ny talata teo, tao amin’ny kaominina Ambatomanga, distrikan’I Manjakandriana. Nikorontana ambony ambany ny tao anaty fasana ary rehefa natotaly ny razana very dia manodidina ny roapolo isa. Ny tsikaritry ny tompom-pasana sy ny mpanao fanadihadiana koa dia ireo taolan-dava no tena nanjavona. Ireo mpaka vilona  vao maraina no taitra raha nahita ireo fasana izay nidanadana. Nampandre ny manam-pahefana avy hatrany ary teo no nahitàna fa nisy namaky ireo toerana. Mbola mandeha ny ezaka fikarohana ireo jiolahy mpamaky fasana. Manan-danja loatra amin’ny kolontsaina Malagasy ny fasana sy ny razana ary tena maharary ny olona izany hoe vaky ny fasana. Hatreto dia tsy mbola nisy fanadihadiana lasa lavitra ny amin’ny ao ambadik’ireny heloka ireny. Hatao inona ireo taolan-dava ary iza no ao ambadiky ny vaky fasana? Na tratra aza ireo mpamaky fasana indraindray dia na izy ireo aza tsy mahafantatra akory ny mpaniraka sy ny mety ho anaovana ireo taolam-balo. Dia mionona amin’izay hatreto aloha na dia mandeha aza ny feo fa misy mividy ary havadika ireny fitaovana fanatsaràna tarehy ireny. Misy koa ny tombana fa anaovana fombafomba izy ireny. Sarotra ny mamongotra ny vaky fasana raha tsy fantatra ny andehanan’ny taolana sy ny mety ho mpandray izany.   

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici