Ny olombelona tokoa ve no efa mihabiby sa ny fitaizana mihitsy no efa mivaona tanteraka. Ankizilahy 10 taona indray no fantatra fa nanolana zazavavy kely roa, 6 sy 7 taona. Tao Manjakandriana no niseho izany fihetsika mamoafady izany. Araka ny vaovao dia ankizy mpiray tanàna ihany izy ireto ary misy rohim-pihavanana ihany koa, satria zanak’olom-pirahavavy ireo voaolana. Ilay ankizilaky kosa dia fianakaviana lavidavitra amin’izy ireo ihany. Ny tena mahavariana dia ankizy mianatra avokoa izy ireo.
Raha ny fanazavana dia efa ela no nataon’ity ankizy lahy ity ity fomba ratsy ity, saingy ny alakamisy teo vao fantatr’ireo ray aman-dreniny avy ny fisiany. Ny faran’ny herinandro teo no nanomboka nitaraina narary tany amin’ny fitombenany tany ilay ankizy 6 taona. Nitohy izany ny fiandohan’ity herinandro ity. Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny reniny azy no nahafantarana fa naolan’ity ankizilahy ity izy ary tsy izy irery no voan’izany fa ny rahavaviny ihany koa.
Nohamarinin’ny mpitsabo izany rehefa tonga teny amin’ny toeram-pitsaboana ary dia hita tokoa fa simba ilay zaza ka dia mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao. Araka ny fanazavana hatrany dia miara-milalao ireto ankizy ireto eo an-tanàna ka mandritra izany no nanaovan’ity ankizilahy ity ny asa ratsiny. Ary efa matetika hono no nataony izany, raha araka ny fanambaran’ireo ankizy voaolana.
Omaly no voalaza fa nametraka fitoriana mahakasika izao raharaha izao ny ray aman-drenin’ireo ankizy voaolana ireo.
T.M.