- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversManjakandrina : Namoy ny ainy ilay ankizivavy nohitsahin’ny lamasinina

Manjakandrina : Namoy ny ainy ilay ankizivavy nohitsahin’ny lamasinina

Adim-pamantaranandro vitsy monja taorian’ny loza nanjo azy dia namoy ny ainy, teny amin’ny hôpitaly, ilay ankizivavy kely voahosin’ny lamasinina teo Fiadanana Manajakandriana, ny andron’ny zoma lasa teo. Raha ny angom-baovao azo dia voalaza fa an-dalana hody, avy namonjy ny fandevenana ny anabavin-drainy izy tamin’io fotoana io, kanefa dia izao niharan-doza izao ihany koa. Filazan’ireo nanatri-maso ny hoe saika hamonjy ny zandriny, izay voafaokan’ilay lamasinina ny tenany, kanjo ny kitapony indray no voasaringotr’izany fiaran-dalamby izany. Nahatonga azy voasarika tany ambanin’ny kodiaram-bin’ity fitaovam-pitaterana ity. Tetsy andanin’izay, ny teo anivon’ireo mpitandro filaminana tonga nijery ifotony ny zava-nisy teny an-toerana, nilaza fa niala fiarabe iray, izay saika namantana tany aminy sy ireo niaraka aminy ny tenany, kanjo nianjera tany amin’ny lalamby, izay nisy lamasinina nandalo mihitsy. Voasarik’izany ary notetezin’ny kodiaram-by mihitsy. Naratra mafy, tapaka nizara roa mihitsy ny vatan’izany ankizivavy kely izany. Saingy tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza dia mbola nahatsiaro tena soa aman-tsara izy, ary noezahin’ireo nanatri-maso novonjena haingana teny amin’ny hôpitaly. Adim-pamantaranandro vitsivitsy teo anefa, noho ny ratra goavana nahazo azy dia tsy tana intsony ny ainy. 14 taona ity ankizivavy niharan-doza ity, ary monina eo Fiadanana ihany. Voalaza fa ny andron’ny zoma teo ihany no nanaovana ny fandevenana azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Misaotra t@ ilay tohiny ilay article, hay maty izany ilay tovovavy vao 14 taona. Elle a dû beaucoup souffrir.
    Repose en paix petit ange. Courage à sa famille.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici