Nandratra olona indray ireo taxi-be teto an-drenivohitra, teny amin’iny faritra Manjakaray sy Ambohijatovo iny omaly. Araka ny fantatra dia samy olana ara-teknika teo amin’ny lafiny hisatra avokoa no nahatonga ny loza. Vokany, olona telo no indray naratra mafy, tsy nisy kosa ny aina nafoy. Omaly maraina tokony ho tamin’ny fito ora teo ho eo ny iray, tetsy Manjakaray. Taxi-be 157 no tsy tanan’ny mpamily intsony ary nikivalavala nidina iny fidinana avy any Manjakaray tanàna iny. Renim-pianakaviana handeha hanatitra ny zanany hianatra no voafaokan’ity taxi-be ity teny ambony “trottoir”. Samy naratra avokoa izy mianaka saingy ilay ankizy vao enin-taona monja no voa mafy. Nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana izy mianaka ireto. Fa toraka izay ihany koa teny amin’iny faritra Ambohijatovo iny, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina teo. Tamin’ity indray, taxi-be 196, no nialàn’ny hisatra ka tsy tanan’ny mpamily intsony teo amin’ilay fidinana mihazo an’Andohan’Analakely iny. Hany herin’ny mpamily nandefa ny fiara, tany amin’ny tambohon’ny ministera teo akaiky teo. Ramatoa mpivarotra amoron-dalana iray no nodomin’izany ka naratra ary nalefa teny amin’ny toeram-pitsaboana ihany koa. Fa mbola lozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra ihany, teny amin’iny faritra Ankadifotsy iny, ny alarobia hifoha alakamisy teo. Taxi nifandona tamina fiara kely “Kangoo”. Naratra mafy ary tsy nahatsiaro tena mihitsy ny mpamilin’ilay fiara karetsaka, izay potika tanteraka tamin’io fotoana io. Araka ny nambaran’ny mpitandro filaminana dia niala ireo fiara nijanona amoron-dalana ilay fiarakaretsaka ary nandeha mora. Somary nandeha mafy sy niala lavaka ihany koa ilay “kangoo” ka tsy tana intsony ny fifandonana. Samy mitera-doza avokoa eto an-drenivohitra na ny fiara efa tsy tokony handeha intsony, kanefa mbola mahazo alalàna hanao izany sy hitondra mpandeha, na ireo lavaka mangotanatana isan-karazany, haingon’ny araben’Iarivo.
m.L