Ny alin’ny alatsinainy teo, norobain’ny jiolahy ny trano iray tetsy Manjakaray. Lasan’ireo mpangalatra avokoa ny entana sarobidy rehetra tao an-trano : solosaina fitondra, gitara sarobidy ary entana maro nalaina tany amin’ireny fivarotana azo hangalana fitaovana aloha tsikelikely ireny ny vidiny. Ny vaovao avy amin’ireo voaroba no hilazana fa tsy nahare na inona na inona ireo olona tao an-trano (telo mianaka). Nilaza izy ireo fa tsy henony akory ny fidiran’ireo mpangalatra anisan’izany ny namakiany ny varavarana. Eo koa ny fangalarany ny entana. Tsy fantratr’izy ireo koa ny ora nahatongavan’ireo mpangalatra fa dia natory tsy nisy ahiahy ry zareo. Nifoha marina vao gaga fa najifa avokoa ny tao an-trano rehetra. Taorin’izany vao nampandre ny tompon’andraikitra izy mianakavy kely.
Miseho amin’ny endriny maro ny fandrobana amin’izao fotoana izao. Misy ireo jiolahy manao be fiavy ary mampihorohoro ny olona robainy. Tonga hatrany amin’ny fandratrana sy ny famonoana hamoizana aina mihisy aza. Ity niseho tetsy Manjakaray ity, hafa dia hafa. Toa miverina indray ny fampiasana ody fampatoriana. Ny zavatra niseho tany aloha tany aza mitantara fa na ny lamba firakotra aza lasan’ireo olon-dratsy nefa dia tsy taitra mihitsy ny olona raha tsy efa maraina. Ny tranga nisy maro dia maro araka ny resakak’ireo efa voa no toa manamarina ny fisian’izany fonoka izany.
r.s.