Teo akaikin’ny Jovena Ambatomainty Manjakaray no nahitana bolabolan’ andramena miisa dimy, ny alakamisy 26 febroary lasa teo. Antso avy amin’ny laharana 119 tamin’ny olona teny amin’ny manodidina moa no nahazoana ny vaovao. nidina teny an-toerana avy hatrany ny tao amin’ny Zandarimaria misahana an’Antananarivo renivohitra ka nalefa teny amin’ny CIRGN ireo andramena ireo. Raha ny fahitana azy dia toa ohatra ny tsy zaka izy ireto ka dia naleo napetraka teo amoron-dalana. Efa mitohy moa ny fanadihadiana amin’izao.
ALEM