- Publicité SW45 -
mercredi, décembre 11, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManjakaray : Baomba hita teo am-bavahadin’ny FJKM

Manjakaray : Baomba hita teo am-bavahadin’ny FJKM

bombe-manjakaray-(3)Miverina indray ny fametrahana ireny karazana baomba vita gasy ireny eto an-drenivohitra

Omaly vao maraina be, vehivavy mpivarotra iray handeha hamoha tsena no nahamarika baoritra iray napetraka teo akaikin’ny vavahadin’ny FJKM Rasalama Maritiora Manjakaray. Tokony ho tamin’ny 5 ora latsaka tany ho any. Teo am-pamafana ny manodidina ny fivarotany izy no nahita io zavatra io. Lasa niantso ny vadiny ilay vehivavy ary io indray no nanaitra olona hafa. Toa samy efa mailo ny rehetra, ka lasa nampandre haingana ny polisy miasa eny an-toerana. Rehefa tonga teo ireo dia nitsikilo ny tao anatin’ilay baoritra. Nahita “fil” maromaro, tavoahangy plastika iray ary boaty lavalava kely nisy “fil” ihany koa. Nilaza ireo mpitandro filaminana fa tena baomba io. Nampandre ny lehibeny avy hatrany izy ireo. Tonga teny an-toerana ny tomponandrikitra isan-tsokajiny. Efa tomefy olona ilay toerana tamin’izay ora izay. Nasaina nihataka avokoa ny olona ary dia natao izay nanapoahana ilay zavatra. Tsy nirefotra anefa ilay izay fa fitaovana hafa indray no simba. Fantatra tamin’izany fa tsy baomba ilay izy fa karazana fitaovana natao miendrika baomba fotsiny ho fampitahorana ny manodidina.

Raha ny fanadihadiana vonjimaika dia mety ho olona iray ihany no manao izao asa fampihorohoroana sy fampitahorana eto andrenivohitra izao. Hatreto aloha ankoatra ilay toraka grenady niseho tetsy Anosy iray volana mahery izay dia toa mitovitovy avokoa ny paozin’ireo baomba vita tanana hita ireo ary hita soritra fa asan-tanan’olona iray ihany izay ireo. Eo am-panaovana fanadihadiana ny manam-pahefana ka tsy mbola afaka manamafy hoe iza  marina ny olona ka manana tombontsoa amin’izao asa fampihorohorona miseho izao. Mety handeha koa ary ny saina hoe misy fifandraisany ara-politika amin’ny fiainam-pirenena ve izao toe-javatra izao? Ny rahampitso no hanambara antsika ny valin’ireo fanontaniana ireo ka hanentanana antsika olom-pirenena tsiriray avy ho mailo hatrany eo am-pahitana zavatra mampiahiahy eny amin’ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy eny.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser