Ity tranga iray niseho ny Sabotsy 15 desambra teo, teny Manjakaray ity dia manaporofo fa efa tsy mifidy toerana hanavaony ny asa ratsiny intsony ireo jiolahy. Fiara nijanona teo an-tokotanin’ny Fiangonana katolika eny an-toerana no nisy namaky, raha nanatrika fanamasinana mariazy tao ny tompony. Nivoaka ny fiangonana ilay tompony rehefa nirava ny fanamasinana vao nahita, fa efa nivoha ny varavaran’ny fiarany. Very tao daholo ny antontan-taratasy maromaro, toy ny: “carnet Otiv, Karam-panondro, “permis de conduire”, ary vola 200 000 ariary. Rehefa nizaha ny manodidina ireo olona izay teo an-toerana dia nahita ny ampahany tamin’ireo antontan-taratasy ireo tao anaty dabam-pako iray eo andrefana kelin’ity fiangonana ity. Ny hany azon’ny tompony natao, dia ny nametraka fitarainana teny amin’ny mpitandro ny filaminana mba hikarohana ireo nahavanon-doza.
T.M.