- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversManjakaray : Jiolahy noraisim-potsiny teo am-pangalarana môtô-na mpitandro filaminana

Manjakaray : Jiolahy noraisim-potsiny teo am-pangalarana môtô-na mpitandro filaminana

Izany tokoa ny hoe, ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra. Jiolahy isan’ny rain-dahiny amin’ny fangalaràna môtô scooter, eny amin’iny faritra Manjakaray sy Ambatomainty no voasambotry ny pôlisy avy amin’ny boriborintany faha-8, ny sabotsy hariva lasa teo. Tamin’io fotoana io, sendra nisy môtô nijanona teo amin’ny arabe. Efa tsy tratra fa efa teny am-pelatanan’ireo mpangalatra ity fitaovana ity. Ny tsy fantatr’izy ireo tamin’izay anefa dia ana mpitandro filaminana teo amin’ny manodidina ihany ity zavatra “nofondain-dry ramaka” ity. Velona ny fifanenjahana, hatrany anaty elakelan-trano isan-karazany tany, ary tsy namelan’ireo pôlisy raha tsy teo am-pelatanany ireo jiolahy. Roalahy izy ireo no nangalatra, izay nitondra tany amin’ny namany telo hafa. Dimy lahy araka izany ny fitambarany, izay tovolahy manodidina ny 24 sy 25 taona eo avokoa, raha ny fanazavàna azo, ary samy voasambotra avokoa. Naverina tamin’ny tompony kosa ilay môtô nangalarina. Marihina, araka ny nambaran’ny pôlisy hatrany, fa ny iray tamin’izy dimy lahy ireto dia isan’ireo olon-dratsy nampikaikaika ireo mponina teny amin’iny faritra manodidina iny, noho ity resaka halatra môtô ity hatrany. Efa nigadra noho izay resaka izay, kanefa dia mbola io namerina ny asa ratsiny io hatrany, rehefa avy nahita namana hiray tsikombakomba aminy. Samy notazomina tao amin’ny kaomisaria avokoa izy ireo, hanaovana fanadihadiana alohan’ny hanolorana azy amin’ny fitsaràna. Raha efa nilamindamina ity halatra môtô Scooter ity tao ho ao dia izao miverina izao indray. Inoana anefa fa taorian’ity nahazoana ny rain-dahiny ity, dia mba hilamindamina sy handry ivohon’ny vato ireo mponina eny amin’iny faritra Manjakaray sy ny manodidina iny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser