Lehilahy iray 27 taona no naterin’ny andrimasom-pokonolona avy ao amin’ny fokontany Manjakaray IID tao amin’ny kaomisaria ny polisy Analamahitsy ny Talata 23 febroary lasa teo noho ny resaka fanendahana. Voalaza fa isan’ireo jiolahy nanendaka mpivady sendra hariva teny amin’iny faritra iny ity lehilahy ity. Tamin’ny alahady teo no nisehoan’izany asa ratsy izany. Efa misy moa ny fiaraha-miasa eo amin’ny polisy sy ny fokonolona mba hanafoanana ity resaka fanedahana eny Manjakaray sy ny manodidina iny amin’ny alalan’ny andrimasom-pokonolona. Nanao ny fikarohana ireo jiolahy ireto farany ka nahasambotra ity lehilahy iray ity. Nandritra ny fanadihadiana natao tamin’ireo olona niharan’ny fanendahana no nahafantarana fa isan’ireo jiolahy nanendaka ity farany ka dia notanana avy hatrany mba hanaovana famotorana sy hikarohana ireo namany izay mbola miriaria any. Atolotra ny fitsarana tsy ho ela moa ny raharaha.
T.M.