Efa tamin’ny alahady faha-3 novambra 2014 dia nitrangana halatra sakaosy nisy vola sy antontan-taratasy maromaro tao anaty fiara, teny Ankaditapaka. An’ny teratany vahiny iray izy io. Raha vao nahatsikaritra izany ny tompony dia nametraka fitoriana tany amin’ny polisy ao amin’ny boriborintany faha-2, Ambohijatovo. Nanomboka teo ny fikarohana ireo mpangalatra. Afaka herinandro, nahitana vokany izany. Ny alatsiniany 10 novambra no tratra teny Manjakaray ny tovolahy iray 25 taona tokony ho tamin’ny 5 ora maraina. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia nanaiky izy fa nangalatra ilay sakaosy. Natorony ny mpitandro filaminana ny toerana nasiany azy. Tsy hita tao aintsony anefa ny vola mitetina 100 000 ariary sy 50 euros. Nilaza izy fa efa nividianany zavatra ireo vola ireo. Tamin’ny farany dia nanoro olona iray niaraka nangalatra taminy ilay tovolahy. Tsy iza izany fa ny raikeliny. Samy tazonina any amin’ny biraon’ny polisy izy mianaka amin’izao fotoana izao. Omaly no natolotra ny fitsarana teny Anosy izy ireo.
r.s.