Nivadika tampoka ho « prêt » ny « donation », izany hoe entana nampindramina ireo entana izay nolazaina ho fanomezana. Izany no nitarika ny disadisa teo anivon’ny Ekar Manjakaray omaly. Tonga niaraka tamin’ny vadintany teo an-toerana ny teratany vahiny maromaro ary ny tanjon’izy ireo dia naka ireo entana rehetra izay nomena tamin’ny anaran’io toeram-pivavahana io. Nitondra fanazavana avy hatrany ny Père Curé Jérôme Ranaivomanana izay miandraikitra ny fiangonana voakasika. « Nisy fikambanana antsoina hoe Aide Manjakasoa Mcar (AMM) tamin’ny 2001 ary nilaza ny hanao asa soa marobe noho ny fahitàny ny fahasahiranan’ny Malagasy maro. Nangataka fiaraha-miasa tamin’ny Ekar avy tamin’ny alàlan’ny Mompera teo aloha io fikambanana io. Nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa natao teo amin’ny roa tonta. Nisy fanampiana maro avy amin’ny olona tsara sitra-po tany Lafrantsa ary torak’izany ihany koa ny famatsiana ara-bola sy fitaovana ny Ekar sy ny dispansera teo anivony » raha araka ny fanazavany. Notohizany anefa fa : « rehefa izy no lasa tompon’andraikitra noho ny fifandimbiasam-pahefana teo amin’ny fiangonana, tamin’ny taona 2015, dia lasa hoe entana nampindramina avokoa ireo nomena fa tsy fanomezana velively akory ». Nanomboka teo ny disadisa, indrindra rehefa nahatsikaritra ny fiangonana fa tsy mazava ny tena tanjon’ilay fikambanana. Etsy andanin’izany, ny AMM koa raha araka ny fanazavany tamin’ny fiangonana, dia nahita fa tsy mety aminy intsony ny fiaraha-miasa, satria lasa nihena be ny olona mankao amin’ny dispansera izay novatsiany fitaovana sy vola. Toeram-pitsaboana izay nohazavain’ny fiangonana hatrany fa tsy mbola nahazoany tombony mihitsy hatramin’ny nisiany ary mbola ny fiangonana aza no nandoa ny latsakemboka ara-tsosialy maro ho an’ny mpiasa tao. Omaly tolakandro dia naneho ny tsy fifaliany ny fiangoanna rehefa tonga teo ireo vazaha izay mbola nilaza aza fa haorin’izy ireo hatramin’ny toeram-pamakiam-boky sy ny filalaovana basket. Nisafidy ny hilefitra kosa anefa ny fiangonana ka tsy hitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana raha araka ny fanazavan’ny mpitarika azy hatrany.
D.R



