Matetika, raha ny filazan’ny manodidina no mampijaly ny zanany ilay vehivavy. Tafahoatra anefa ny tamin’ny alahady
Ny alahady antoandro, notobasan’ity vehivavy rano mangotraka ny zanany vavikely vao fito taona monja. Nitomany ilay zaza ary henon’ny olona izany. Nisy tonga nizaha ny zavanisy ny mponina manodidina ka samy gaga nahita ity zaza efa may. Rehefa nojerena akaiky dia misy mangana ihany koa tamin’ny vatany. Tezitra ny olona ka saika hidaroka ilay ramatoa. Nisy ny efa mailo ka nampandre avy hatrany ny polisy eny an-toerana. Tonga ny mpitandro filaminana ka afaka nanakana ny hatezeram-bahoaka. Raha tsy izany dia tsy fantatra izay zavatra nitranga teo. Nentina tany amin’ny trano fitsaboana ilay ankizy may. Ilay vehivavy kosa notanana tany amin’ny biraon’ny polisy atao famotorana. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa toa efa fanaona’ilay vehivavy amin’ny zanany ny zavatra sahala izao ary izany no tena naha tezitra mafy ny mpiara-monina aminy.
Tsy vao izao no nandrenesana ray aman-dreny mampijaly ny zanany fa efa ela. Tsy fantatra marina aloha ny mahatonga izany. Efa misy ny fikambanana miady amin’ity fampijaliana zaza ity. Maro ny olona voasazy amin’izany. Marihina fa nisara-bady ity ramatoa teny Manjakaray ity. Ankeviny kizitina noho izany izy ka any amin’ny fara mandimbiny no analany ny fony.
r.s.