Taorinan’ny vela-pandrika nataon’ny polisy dia tra-tehaka ny tovolahy iray efa malaza ratsy amin’ny fisolokiana menaka lavanila. Dokotera iray efa voasolokiny no nametraka fitoriana teny amin’ny paositry ny polisy boriborintany fahavalo, tamin’ny volana janoary lasa teo. Nandeha avy hatrany teo ny fikarohana ka izao niafara tamin’ny fisamborana ity tovolahy ity izao. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahalalana fa ny volana desambra tamin’ny taon-dasa no niroso tamin’ny fifampivarotana ny roa tonta ary teny Ambodivona no nanatanterahana izany. Novidian’ity dokotera 6.000.000 ariary ny menaka lavanila 20 litatra ary tsy nisy mihitsy ny olana teo amin’izy ireo. Tsy nionona fotsiny tamin’ny fandresen-dahatra nataon’ity tovolahy anefa ilay mpividy fa nanao fanamarinana ity entana. Rehefa natao ny fitilina tany amina « laboratoire » dia rano nasiana loko sy hanitra lavanila ity nolazaina fa menaka lavanila. Nametraka velapandrika avy hatrany ny mpitandro ny filaminana hisamborana ity mpisoloky ity. Ny alahady lasa teo, teny Manjakaray, ity farany no voasambotry ny Polisin’ny boriborintany fahavalo Analamahitsy. Niaiky ny heloka vitany ity voampanga tamin’ny famotorana natao azy. Natolotra ny fitsarana omaly moa ity raharaha ity.
Kanto R. (Stagiaire)