- Publicité -
vendredi, juillet 25, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManjakavaradrano/Mahatsinjo ambony : Fiara taksiborosy nivadika, mpandeha niisa telo naratra

Manjakavaradrano/Mahatsinjo ambony : Fiara taksiborosy nivadika, mpandeha niisa telo naratra

Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra PK 203+500 tany amin’ny manodidina ny tanànan’i Manjakavaradrano, any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahatsinjo ambony, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny afak’omaly alina teo. Fiara taksiborosy Cotisse iray avy any Mahajanga hihazo an’Antaninarivo no nivadika niala lalana, teo amin’ny Pk voalaza etsy aloha, ka mpandeha niisa telo, tamin’ireo olona 19 tao anatin’ny fiara no naratra, tsy nisy kosa ny aina nafoy. Taorian’ny loza dia tonga nalaky nanao ny fizahana ny lozam-pifamoivoizana niseho ny Zandary misahana ny fifamoivoizana eto Maevatanàna, ary nitondra ireo olona naratra tao amin’ny hopitaly Mahatsinjo ambony, saingy ny iray tamin’ireo dia tsy maintsy noentina niakatra hotsaboana any Antaninarivo nohon’ny ratra mafy nahazo azy.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici