- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversManohisoa Betafo : Nahazo efitrano fianarana vaovao tamin’ny AEPPA

Manohisoa Betafo : Nahazo efitrano fianarana vaovao tamin’ny AEPPA

Fikambanana mpanao asa soa avy atsy amin’ny nosy La réunion ny AEPPA na Association Réunionnaise Amis de l’EPP Ambohitrarahaba. Ny taona 2001 no nihorenan’ny AEPPA, manampy ny sekoly Fanabeazana fototra na EPP ny fikambanana, ankoatra ny fananganana fotodrafitrasam-pampianarana dia mitondra tosika ho an’ny ireo mpianatra koa ny fikambanana amin’ny alalan’ny fizarana kojakoja sy fitavaon’ny mpianatra na « kits scolaires ».  Tsy izay ihany fa maro ny asa sosialy maimaim-poana ataon’ny AEPPA. Fomba fiasan’ny fikambanana isan-taona ny manome tohana ho entina hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ao amin’ny kaominina Ambohimasina Distrika Betafo. Efitranom-pampianarana vaovao kosa no nisitrahan’ny mponina ao amin’ny fokontany Maneva kaominina Manohisoa Betafo avy tamin’ny AEPPA hatrany ny datin’ny 11 Septambra lasa teo. Ankoatra izay dia nanolotra dabilio miisa 20 sy fitoeram-boky ary boky maro samihafa ny AEPPA. Mitentina 14 tapitra ariary ny tetibidin’ity fotodrafitrasa ity raha ny nambaran’ny Rakotonirina Randimbison solotenan’ny fikambanana miasa eto Madagasikara. Tsy vao sambany  ny AEPPA no manao asa soa tahaka izao fa efa am-polo taona niasana teto amin’ny Nosy.  An-tsitrapo no hanaovan’ireo teratany vahiny ny asany ho an’ny mpiara tanindrazana, miisa 77 ny mpikambana izay tarihin’ny Atoa Jacques Berly, tsy zoviana amin’ny maro intsony ity farany raha ao amin’ny kaominina Ambohimasina Betafo ao. Isan’ny zava bitan’ny fikambanana  ny fanatsarana ny EPP ao Ambohimasina, ny fatsakana rano fisotro madio, ny fitaovana informatika natolotra ny kaominina Ambohimasina, famatsiana fanafody ireo toeram-pitsabona raha tsy hitanisa afa tsy ireo. Fantatra fa mandray anjara amin’ny fanomezana ny karamin’ny mpampianatra ihany koa ny AEPPA.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici