Efa fanamby nataon’ny ben’ny tanana tamin’ny filatsahan-kofidiany ny fanokafana ireo lalana tery miditra lalam-pasika noho ny hafitsoky ny olona sasany manitatra fefy isaky ny manamboatra azy ireny. Natomboka omaly talata izany fanokafan-dalana hiarahana amin’ny mpamonjy voina sy hain-trano eto Toamasina, satria ny tanjona dia tafiditry ny fiara be ny sampana mpamonjy voina sy hain-trano ireo lalana nalaka teo aloha rehetra. Natomboka tao Andranomadio P/elle 11/41 miditra mihazo ny sekoly katolika Nicolas Barré ny fanokafan-dalana natao. Na izany aza dia miezaka mifampiresaka amin’ny tompon’ny trano hatrany ny ben’ny tanana, Atoa Andriafanomezantsoa Alain, alohan’ny handravana ny fefiny na ny ampahan’ny tranony amin’ny fanesorana atao. Ireo manaiky handrava ny fefiny na ny ampahan’ny trano dia manampy fotsiny ny kaominina ao anatiny. Tsy hanavana olona ny fanokafan-dalana ataon’ny kaominina izao ity, satria soa iombonan’ny rehetra izany amin’ny fahavitany, mba hanamora ireo mpamonjy voina miditra mamonjy ireo tra-doza amin’ny hain-trano. Nambaran’ny ben’ny tananan’i Toamasina renivohitra izay nidina an-toerana mihitsy hatrany fa tsy hijanona ao Andranomadio ihany izany fa hitatra amin’ny fokontany maro eto Toamasina.
Malala Didier