- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversManomboka ny fitsarana miaramila eto Toamasina : Hosaziana araka ny làlana izay tsy...

Manomboka ny fitsarana miaramila eto Toamasina : Hosaziana araka ny làlana izay tsy manao izany

Efa ny volana jolay no namoaka ny teo anivon’ny prefektioran’i Toamasina, fa hisy ny fitsarana miamila amin’ity taona ity, ka raha ny filazana navoakan’ny prefektioran’i Toamasina hatrany, dia hosaziana araka ny lalàna ireo tovolahy 19 taona hatramin’ny 31 taona voalazan’ny lalàna manao izany, tsy tonga miatrika ity fitsarana miaramila hatao ity. Raha ny fandaharam-potoana, dia hanomboka anio 04 ary tsy mifarana raha tsy ny 06 septambra izao, ao amin’ny CEG Ratsimilaho Tanambao V ny an’ireo boriborintany dimy eto Toamasina I. Mizara maromaro kosa ny ao Toamasina II, ka ny ao Toamasina suburbaine dia hanomboka anio 04 septambra hatramin’ny 06 septambra no hanaovana azy ao amin’ny Kaominina Antetezambaro. Any amin’ny kaominina Fanandrana kosa ny an’i Toamasina II ilany atsimo; izay hanomboka ny 09 sy ny 10 septambra ho avy izao. Ho an’i Toamasina II “centre” kosa dia ao Ambodiriana no hanaovana izany ny 16 sy 17 septambra ho avy izao, ary Toamasina II tapany avaratra, dia ao Mahavelona Foulpointe no hanaovana azy ny 05 sy 06 septambra izao. Ankoatra izay, dia efa nisokatra ny alatsinainy 02 septambra ary hifarana anio 04 septambra kosa ny fitsarana miaramila ho an’i Brickaville.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici