- Publicité -
lundi, avril 28, 2025
AccueilFaits-DiversManompana Soanierana Ivongo : Tovolahy 17 taona, nanolana zazavavy efa-taona…

Manompana Soanierana Ivongo : Tovolahy 17 taona, nanolana zazavavy efa-taona…

Vao tsy ela fa tamin’ny 09 aprily teo no  feno efa-taona ity zazavavy voaolana ny talata 22 aprily teo ity. Nilalao teo amin’ny tora-pasika toy ny fanaony ity zazavavy ity, no hitan’ity tovolahy 17 taona mpiandry omby ity ka nantsoiny. Raha nanantona ilay zazavavy dia nentina tao anaty alaala teo akaiky teo ihany ary nanaovany ny filan-dratsiny tao. Tsy afaka niantso vonjy ilay zazavavy satria voatampina ny vavany, niezaka nikaroka azy ihany ny ray aman-dreniny tao anatin’izay fa tsy hita mihintsy izy, ilay zazavavy efa tsy afaka nandeha nivoaka avy tao anaty lobolobo vao hitan’izy ireo. Mbola afaka niteny ilay zazavavy taorian’izay, ka tamin’izany no nilazany, fa ingahy mpiambina omby tsy lavitra teo iny no niantso azy sy nahavita izao fanolanana izao. Tsy niandry ela ireo ray aman-drenin’ilay zazavavy dia naniraka ny fokonolona nisambotra ilay mpiambina omby. Tsy nandà ny zavatra anataony moa ny tenany ary efa natolotra ny zandary tao Soanierana Ivongo ny tenany ny talata ihany. Tao anatin’izay anefa dia nentina tao amin’ny CSB Manompana ilay zazavavy mba ahazo ny fitsaboana voalohany azy, ka tamin’izany no nilazan’ireo mpitsabo fa tena simba tanteraka ilay zazavavy voaolana. Nentina notsaboina tao Soanierana Ivongo moa ilay zazavavy efa-taona avy eo, mba hitsaboana azy misimisy kokoa. Efa miatrika fakana am-bavany azy ity tovolahy mpiambina omby mpanolana ity, ary hiakatra fampanoavana ny fitsarana abaratonga voalohany ao amin’ny Fenerivo Atsinanana aorian’izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici