- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversMantasoa : Mpianaka natelin’ny rano

Mantasoa : Mpianaka natelin’ny rano

Niara-nientana ny olona tamin’ny fikarohana.

Tsy ratsy ny andro ary efa fahazaran’izy ireo ny fiampitàna lakana eo amin’ny farihin’i Mantasoa. Nitera-doza anefa izany tamin’ity indray mitoraka ity. Ny alatsinainy marainateo teo raha nampiakarina teo ambonin’ny lakana ny moto ary koa ny olona, nivadika tampoka izany noho ny vesatra tsy nifandanja. Nianjera tao anaty rano arak’izany ireo mpianaka. Nahavita nanavo-tena ihany ilay raim-pianakaviana satria tsy dia lavitra ny elanelan’ny tanety sy ilay rano. Raha nahita ny zanany izay niady mafy natelin’ny rano anefa izy dia nanapa-kevitry ny niverina ary nanavotra. Teo dia tsy hita intsony koa izay nanjavonany. Nisy nahita ny fitrangan-javatra kanefa tsy hita loatra izy azo atao noho ny fahafantarana fa efa nitera-doza matetika ny filomanosana ao amin’io farihy io raha tsy misy fitaovana. Nantsoina ny olona manana fitaovana manokana amin’ny fitsorahana ao anaty rano ary ireo no nanao ny fitadiavana ireo mpianaka. Ny fokonolona koa nanampy tetsy andaniny. Tsy avy hatrany dia hita izay navotana satria notsirihina avokoa teo amin’ny manodidina ary adim-pamataranandro maromaro taty aoriana vao tsikaritry ny mpanavotra ary nosintomina an-tanety. Ilay raim-pianakaviana no hita voalohany, tokony ho tamin’ny fito ora hariva. Indrisy anefa fa efa tsy nisy aina intsony. Hita ihany koa ilay moto nitera-doza sy ny lakana. Nitohy hatrany ny fikarohana ary omaly tamin’ny fito ora maraina vao hita ny vatana mangatsiakan’ilay zaza. Raha ny filazan’ny olona mantsy dia ny fitondràna an’io tamin’ilay lakana kely no isan’ny nampivarina ilay fitaovam-pitaterana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici