- Publicité -
jeudi, juillet 24, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMantasoa : Noratraina sy nofatorana ny mpiambina, lasa ny entana tao amin’ilay...

Mantasoa : Noratraina sy nofatorana ny mpiambina, lasa ny entana tao amin’ilay trano fandraisam-bahiny

Entana mitotaly eo amin’ny 5 tapitrisa ariary eo ho eo no nanjavona tao amina toerana fandraisam-bahiny iray tany amin’iny faritra Mantasoa iny, ny talata alina lasa teo. Tsy misy afa-tsy ny mpiambina irery no tao amin’ity toerana ity tamin’io fotoana io. Noratrain’ireo olon-dratsy ary avy eo nofatorany ity farany ary nanararaotra naka izay zakany ireo olon-dratsy, izay miisa teo amin’ny efatra teo. Olona sendra ho eny an-toerana no nahatsikaritra ny zava-nitranga ka nampandre avy hatrany ny zandary ao amin’ny borigady Mantasoa. Nidina ifotony avy hatrany ireto farany, nanenjika ireo olon-dratsy, izay nandeha lakana, raha ny tati-baovao azo. Tsy lasa lavitra fa voasambotra, teny amin’ny manodidina an’Ambatolaona ireo olon-dratsy. Mbola tratra teny amin’izy ireo ireo entana sarobidy isan-karazany, izay nahitana fitaovana eletronika maromaro. Marihana, hoy ny fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitry ny filaminana fa efa indroa nisy namaky ity toerana ity. Ary tamin’ny fanadihadiana nataon’ireto jiolahy tratra ireto, dia fantatra fa izy ireo ihany no tompon’antoka tamin’izay fotoana izay. Mazàna tokoa ny amin’ny fanafihana tahak’izao dia olona tsy lavitra ihany no mahavita ny asa ratsy. Fantatra ary fa ny roa tamin’ireto olon-dratsy ireto dia samy mponina eny Mantasoa ihany. Ireo namany hafa kosa dia olona avy aty an-drenivohitra. Nokasaina hampiakarina aty rahateo ireo entana nangalarina ireo. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireo efa-dahy tratra ireto, ary samy nadoboka any am-ponja avy hatrany, miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo.

m.L 

Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici